Lyrics

Toy ny nanonofy ihany aho Raha nahita anao indray andro izay, Saika tsy afa-po mihitsy aho Fa toa nisarik'ahy Tsy afeniko fa tena nandratra ahy ilay mijery anao Indrindra koa fa noravahin'ilay tsiky kely izay Koa aza omena tiny aho raha toa nanoratr'izao hira izao F'ilay eritreritr'izay nanarak'ahy tsy mety lany Manaiga fanahy Nametsovetso ny fahitako anao naka sary an-tsaina ilay Akantomao Mikalo sy mamisavisa sis azoko atao Tsy ho adinoiko velively Tsy hovoafafa na oviana na oviana Ato an-tsaiko ilay fijerinao Ato an-tsaiko ilay fitsikinao Toy ny fitomboka 'zay tsy afaka intsony Fa mitoetra Toy ny nanonofy ihany aho Raha nilazanao indray andro izay Saika tsy nino mihitsy aho Fa ianao izao no nahavita izao Ekeko fa anananao ny bika sy ny endrika K'izany koa angamba no nahabe ny mpitsiriritra anao Olombelona ihany ianao ka na be ny fitiavanao ahy Rehefa tojon'ilay mahay azy ianao Niova ihany ka lasa nandao Ka lafi-ratsiny ny nahitako anao indray 'Lay hatsaranao raha toy izay Mikalo sy mamisavisa sisa azoko atao Tsy ho adinoiko velively Tsy hovoafafa na oviana na oviana Ato an-tsaiko ilay fijerinao Ato an-tsaiko ilay fitsikinao Toy ny fitomboka 'zay tsy afaka intsony Fa mitoetra Tsy ho adinoiko velively Tsy hovoafafa na oviana na oviana Ato an-tsaiko ilay toetranao Ato an-tsaiko ilay nandao ahy ianao Toy ny fitomboka 'zay tsy afaka intsony Fa mitoetra...
Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out