Listen to Raha Noana Ny Kibo by Mahaleo

Raha Noana Ny Kibo

Mahaleo

World

100 Shazams

Music Video

RAHA NOANA NY KIBO Mahaleo Live @ Olympia
Watch {trackName} music video by {artistName}

Featured In

Credits

PERFORMING ARTISTS
Mahaleo
Mahaleo
Performer
COMPOSITION & LYRICS
Razafindranoa Raosolosolofo
Razafindranoa Raosolosolofo
Songwriter

Lyrics

Raha noana ny kibo re Mivezivezy ny fanahy Na ireo razana efa lasa aza Tsy mety mitahy Koa aza mba kanosa re Sy be ahiahy Fa sao dia voasongona Fa be ireo fetsy lahy Ialao ny hakamona Mitondra mosary Fa ireo razana hanohana Raha mamboly vary Fa ny fambolena ihany No harena eto an-tany Fa izay manao izany Hisongadina avy hatrany Fa efa miha sarotra Ity fiainana ity Fa misy te-hivarotra Ity tanintsika ity Tsy fantatra intsony Aiza ny marina Fa 'tady ho lotoiny Amin'izay tsy ho tafarina Fa 'tady ho vonoiny Koa hivarimbarina Fantatsika mazava anie Ireo olana misy Izay tsy ampoizina akory Nefa misy dia misy Fa ny toky anie fitaka Ny atao hono no hita Na inona na inona hasaritaka Refa vonona tafita Ny alaolana dia betsaka Mameno ny tany Avelao atamin'ny resaka Fa io tsy mety lany Inona ary no hatao Mba hialana amin'izao Raiso ary ny andraikitra Fa efa mafy ity ny kaikitra Nahoana raha miara-dia Hifanohantohana Hifanaja, hifankatia Tsy hifanondro vohana Hiaraka hikarakara Ity tanintsika ity Ka ny soa sy tena tsara No hatolotra azy ity Aza mba mizarazara Hampadroso azy ity Hampadroso azy ity Hampadroso azy ity
Writer(s): Razafindranoa Raosolosolofo Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out