Music Video

Jamba (Live)
Watch {trackName} music video by {artistName}

Featured In

Credits

PERFORMING ARTISTS
Mahaleo
Mahaleo
Performer
COMPOSITION & LYRICS
Honore Rabekoto
Honore Rabekoto
Songwriter

Lyrics

Jamba aho eny jamba, nilaozana hazavana, Ao anaty aizim-pito aho, aizina tsy azo ialana. Loko tokana ihany, no mba navela ho ahy, Dia ny maintimanty izay, tsy misy ny ankotr'izay. Nefa rahavako aminao no hiara-dia, Ka navelanao ho tazako ny lokon'ny fitia. Nefa rahavako aminao no hiara-dia, Ka navelanao ho tazako ny lokon'ny fitia. Mona aho eny mona, tsy mba navela iteny. Raha te hiresaka aminao, ny tànana no ahetsiketsiko eny. Soa fa misy tànana aza, azo asoloko ny vavako, Mba ahafahako milaza fa anao ny fitiavako. Tsiky eny tsiky, no nasetrinao izany. Tsy navelanao ho kivy aho raha mbola mila anao ihany. Tsiky eny tsiky, no nasetrinao izany. Tsy navelanao ho kivy aho raha mbola mila anao ihany. Malemy aho, eny malemy, tsy afak'ijoro akory. Enta-mavesatra ho anao, ahatonga sorisory. Fiantrana fotsiny ihany, no maha tonga anao ho eto. F'izay any am-ponao any, mandratra ka tsy tianao aseho. Nofihininao ny tanako, ka hoy ianao oe mangina. Fa ny andro sisa iainako, natokako anao ry tiana. Nofihininao ny tanako, ka hoy ianao oe mangina. Ny ranomaso naneniky ny tavako, ranomasom-pifaliana. N'inona vohana mety itranga, tsy zanaky ny hafa ianao. Ny voahary tsy tia banga, hisy hitoetra eo anilanao. Ny jamba hisy hitantana, ny mona hisy handre. Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra hande. Ny jamba hisy hitantana, ny mona hisy handre. Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra hande. Ny jamba hisy hitantana, ny mona hisy handre. Ny tsy salama vatana, hisy hampianatra hande. P: fetraD10
Writer(s): Honore Rabekoto Lyrics powered by www.musixmatch.com
instagramSharePathic_arrow_out